Izahay mivady toa sondrian-tory,
Mihevitra anao ankizy foana..
Nohon'ny nihiratra taitra tsy hitahita akory.
Hay moa ianao tonga taona.
Hay moa tokoa ianao hari-elatra,
Te hanana zo te andeha te hivelatra
Vita ny adidin'i Dada sy Neny.
Efa voninkazo ilay voa novoleny.
Andeha tsara tso-drano
Tsy ho azon-tsampona
Tsy hidiran'angano
Andeha soava-tsara
Izay vao tena lehilahy.
Be ny tafahoatra be koa ny tsy ampy
Na ny hanatra na tambitamby
Be ny sakatsakana be ny fandraràna
Toa tara toetr'andro izahay mazàna
Nefa izay noho mba heverinay ho tsara
Satria ny tinay ho tsara dimby sy fara
Aza tsiny mety tsy ho tsara daholo
Ny mba fanirina nahay nitaiza sy nikolo
Andeha ny any aloha no banjino
Ny fahendrena no vatsy aza adino
Andeha mahità ny mamy
Mba ho lavitra tomany
Lasa nandeha ka hisidina irery
Efa lehibe tsy hisy handidy tsy hisy hanery
Handimby ireo zoky Hiantsoroka adidy
Ny mba faniriana tsy ho ratsy safidy
Mihevitra anao ankizy foana..
Nohon'ny nihiratra taitra tsy hitahita akory.
Hay moa ianao tonga taona.
Hay moa tokoa ianao hari-elatra,
Te hanana zo te andeha te hivelatra
Vita ny adidin'i Dada sy Neny.
Efa voninkazo ilay voa novoleny.
Andeha tsara tso-drano
Tsy ho azon-tsampona
Tsy hidiran'angano
Andeha soava-tsara
Izay vao tena lehilahy.
Be ny tafahoatra be koa ny tsy ampy
Na ny hanatra na tambitamby
Be ny sakatsakana be ny fandraràna
Toa tara toetr'andro izahay mazàna
Nefa izay noho mba heverinay ho tsara
Satria ny tinay ho tsara dimby sy fara
Aza tsiny mety tsy ho tsara daholo
Ny mba fanirina nahay nitaiza sy nikolo
Andeha ny any aloha no banjino
Ny fahendrena no vatsy aza adino
Andeha mahità ny mamy
Mba ho lavitra tomany
Lasa nandeha ka hisidina irery
Efa lehibe tsy hisy handidy tsy hisy hanery
Handimby ireo zoky Hiantsoroka adidy
Ny mba faniriana tsy ho ratsy safidy